Revelation of John 13

1Ary nahita bibi-dia aho niakatra avy tamin’ny ranomasina. Nanana tandroka folo izany ary loha fito. Teo amin’ny tandrony dia nisy diadema folo, ary teo amin’ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy avy. 2Ilay bibi-dia izay hitako dia tahaka ny leoparda. Ny tongony dia tahaka ny tongotra bera, ary ny vavany dia tahakan’ny vavan’ny liona. Ilay dragona nanome azy ny heriny, ny seza fiandrianany, ary ny fahefany lehibe hanapaka.

3Ny lohan’ilay bibi-dia anankiray dia toa efa maty, kanefa sitrana ilay ratra saika nahafaty azy. Ary gaga ny tany rehetra ka nanaraka ilay bibi-dia. 4Ary dia niankohoka koa teo amin’ilay dragona izy ireo, satria izy no nanome ny fahefany ho an’ny bibi-dia. Niankohaka teo amin’ilay bibi-dia, koa, izy ireo, ary niteny hoe: “Iza no tahakan’ny bibi-dia?” ary “Iza no afaka miady aminy?”

5Nomena vava izay afaka miteny fireharehana sy fitenenan-dratsy ilay bibi-dia. Nomena alalana izy mba hampihatra fahefana mandritran’ny efatra ambi-efapolo volana. 6Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an’Andriamanitra ilay bibi-dia: niteny ratsy ny anarany, ny toerana izay honenany ary ireo izay mipetraka ao an-danitra.

7Navela hiady tamin’ireo mpino ary handresy azy ireo ilay bibi-dia. Ary koa, ny fahefana dia nomena azy manerana ny foko, ny olona, ny fiteny, ary ny firenena rehetra. 8Hiankohoka eo aminy ireo rehetra izay monina ambonin’ny tany, ireo izay tsy voasoratra anarana, nandritran’ny famoronana izao tontolo izao, ao amin’ny Bokin’ny Fiainana, izay an’ny Zanak’ondry, izay efa novonoina.

9Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino. 10Raha misy nalaina babo, dia handeha amin’ny fahababona izy. Raha misy novonoina tamin’ny sabatra, amin’ny sabatra no hamonoana azy. Ity no antso ho an’ny faharetana ary finoana ho an’ireo izay masina.

11Ary nahita bibi-dia hafa aho niakatra avy tamin’ny tany. Izany dia nanana tandroka roa tahakan’ny zanak’ondry, ary niteny tahakan’ny dragona. 12Nampihariny avokoa ny fahefana rehetra an’ilay bibi-dia voalohany eo anatrehany, ary ny tany sy ireo izay monina eo aminy dia asainy miankohoka eo amin’ilay bibi-dia voalohany— ilay iray izay sitrana tamin’ny ratra saika nahafaty azy.

13Nanao fahagagana maro lehibe izy. Nampidina afo avy any an-danitra ho amin’ny tany teo anoloan’ny olona. 14Tamin’ny alalan’ny famantarana dia nomena alalana anao izany, namitaka an’ireo izay monina ambonin’ny tany izany. Niteny tamin’izy ireo izany mba hanambotra sary ho voninahitry ny bibi-dia izay voaratran’ny sabatra nefa velona.

15Navela asiana aina ny sarin’ny bibi-dia mba ahafahan’ilay sary miteny ary izay rehetra tsy manaiky miankohoka amin’ilay bibi-dia dia novonoina. 16Nanery ny tsirairay ihany koa izany, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, dia mandray ny marika eo amin’ny tanana ankavanana na oe amin’ny andrina. 17Tsy hisy olona mahazo mividy na mivarotra mandra-pahazony ny mariky ny bibi-dia, izany dia ny isan’ny fanehoana ny anarany.

Izany dia mitaky fahendrena. Raha misy olona manan-tsaina, aoka izy hanisa ny isan’ny bibi-dia. Fa izany dia isan’ny olona. Izany isa izany dia 666.

18

Copyright information for PltULB